Angovo avy amin’ny masoandro : Hamokatra 15 MWc ny toby ao Moramanga

Nijery ifotony ny fizotry ny fananganana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro ao Moramanga, ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny iraky ny Primatiora, ny ao amin’ny minisiteran’ny Angovo ary ny Jirama. Teo koa ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Eo am-pamaranana, ankehitriny, ny asa mamokatra herinaratra manana tanjaka 15 MWc, hanamafy ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA).
Taratry ny lanjan’ny sehatra tsy miankina miara-miasa amin’ny fanjakana, ho vahaolana maharitra ho an’ny famatsiana angovo eto Madagasikara izany. Notsipihin’ny tale jeneralin’ny orinasa Afripower, miara-miasa amin’ny vondrona Filatex, Ramaromandray Tahina, fa « mampiasa vola izahay, ankehitriny, mba hiarovana ny lafiny angovo ho an’ny rahampitso ».
Hita taratra amin’ity tetikasa govana ao Moramanga ity ny finiavan’ny vondrona Filatex haneho ny fandraisany anjara feno amin’ny fanovana mankany amin’ny fampiasana angovo madio maharitra. Mitondra vahaolana miantraika mivantana amin’ny vahoaka, mitondra fampandrosoana maharitra eny ifotony sy ho an’ny firenena manontolo izany.

Njaka A.

Partager sur: