Ankorondrano : Mpitondra moto maty voadonan’ny taxi

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy Ankorondrano, ny takarivan’ny alahady, tamin’ny 5 ora sy fahefany. Niseho nanoloana ny orinasa Henri Fraise ny loza. Lehilahy iray 45 taona, nitondra moto, naratra mafy voadona sy voafaokan’ny fiarakaretsaka. Novonjena haingana tany amin’ny HJRA Ampefiloha izy saingy tsy tana ny ainy. Avy any Ankoron­drano, hihazo an’Antanimena, ny fiara niavian’ny loza. Nan­deha tamin’ny ankavanan-dalana ilay mpitondra moto, ary nandeha mora, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso teny an-toerana. Ni­songona ity farany avy any aoriana anefa ilay taxi ary nitrongy moto miisa roa. Samy nipitika sy naratra mafy ary samy tsy nahatsiaro tena taorian’ny loza nahazo azy ny olona roa (lehilahy sy vehivavy), nitondra ireo kodiaran-droa ireo. Novonjena haingana teny amin’ny HJRA Ampe­filoha ireo naratra. Fantatra fa namoy ny ainy, ilay raim-pianakaviana, raha mbola manaraka fitsaboana kosa ilay vehivavy.
Saika nandona lehilahy mpivarotra niampita tamin’ny arabe io fiara karetsaka io talohan’ny tranga. Nifatratra sy nandona ireo moto miisa roa teo alohany sy tamin’ny ankavanan-dalany izy avy eo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Fantatra fa mamo ilay rangahy mpamily fiara taxi, izay nihavian’ny loza. Efa notazomina atao andri-maso eny anivon’ny polisy ny tenany, amin’izao fotoana izao.

Mino

Partager sur: