Hanandratra avo ny fikarohana sy ho fitaovana stratejika hanatsarana ny indostria ny fifaninanana nasionaly momba ny fahitana vao. Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indosrtia sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny Ofisy malagasy misahana ny fizaka-manana ara-indostria (Omapi). Tanjona ny hampiroborobo ny fahaiza-manao sy ny fahitana vao ara-teknolojia eto Madagasikara. «Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana, izay hiompana amin’ny sehatry ny angovo, ny fanodinan-tsakafo ary ny fanodinana eto an-toerana», hoy ny tale jeneralin’ny Omapi, Rafanotsimiva Naharisoa, omaly, teny Anosy, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika. Kendrena manokana ny hampiharana ireo voka-pikarohana ho an’ny toekarena sy hanovana ireo hevitra vao ho lasa tetikasa indostrialy hampakarana ny harinkarena faobe ho lasa 30% amin’ny taona 2040.
Mifanohana
Hanolotra fanohanana feno amin’ny fiarovana sy fanomezan-danja ny fizaka-manana ara-indostrialy ny fifaninanana. «Mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny hetsika ny Onudi, ny PAISF ary ny Omapi, izay mikendry ny hanangana sy hanatsara ny indostria misehatra amin’ny angovo ka hampisy ny fahatokisana sy hampihena ny saran’ny famokarana indostrialy. Ny fanodinan-tsakafo kosa hanamafy ny sanda ampiana eto an-toerana sy ny fiarovana ny sakafo. Hanome lanja ny akora fototra nasionaly hampihenana ny fiankinandoha amin’ny fanafarana izany», hoy ny tale jeneralin’ny indostria, Razafindrazaka Naina Nirina. Marihina fa hifarana ny 29 mey ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana manerana ny Nosy raha toa ka ny 27 jolay kosa ny fanomezana loka ho an’ny mendrika indrindra.
Henintsoa




