FANTINA sy FINTINA

Namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy, rehefa niakatra fampanoavana tetsy amin’ny Pac 67 Ha, ny herinandro teo. Vesatra anenjehina azy ny momba ny tsy fanarahan-dalàna ho an’ny fanondranana letisia ny taona 2019-2020. Voasaringotra amin’izany koa ny mpiasan’ny minisitera niray tendro taminy.
Vita ny herinandro teo, tetsy Ambohidahy, ny famindram-pitantanana teo amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ny komity vonjimaika CTO JM. Nanatanteraka izany ny filoha teo aloha, Monica Harimbola Rasoloarison sy ny mpandrindra ny komity, Andry Raharison. Mampandeha raharaha aloha izany izao ny CTOJM.
Mbola hiverina any Rosia ireo minisitra sasany, taorian’ny fivahinianan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, tany an-toerana. Anisan’ny mbola hatao sonia amin’izany ny fifanarahana momba ny angovo sy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fahasalamana. Nivotra ireo tamin’ny fahatongavan’ny filoha teny Ivato, ny herinandro teo.
Nivory teny Ankadindratombo ireo gadra politika sy nenjehin’ny fitondrana Rajoelina, ny sabotsy teo. Nandinika ny hanarenana ny fahavoazan’ny tsirairay sy ny hijerena ireo mpikambana mba tsy ho very maina ny tolona natao. Filoha mitarika izany i Rolly Mercia, raha Ravelomanantsoa Berija kosa no sekretera jeneraly.

Partager sur: