Nanainga omaly, nihazo an’ i Paris, Frantsa, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nambarany teo am-piaingana, teny Ivato, fa fitsidihana arakasa izao ataon’ny delegasionina any amin’ity firenena ity, rahampitso. «Tsy misy ifandraisany velively tamin’ny dia natao tany Rosia izao fitsidihana any Frantsa izao. Samy nanasa antsika ireo firenena roa ireo fa eo koa ny fihavanana, ary toerana natao handray vahiny ny eto», hoy izy. Mbola nohamafisiny, araka ny efa nambarany mialoha ny nandehanany tany Rosia farany teo, fa misokatra hatrany amin’ireo firenena maneran-tany amin’ny mety hahazoan’ny vahoaka sy i Madagasikara tombontsoa ny fifandraisana iraisam-pirenena hirosoana.
Hotanterahina anio tolakandro, ao amin’ny Lapam-panjakan’i Elysée, ao Paris, ny fihaonana eo aminy sy ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana koa ny fihaonan’ny filoham-panjakana amin’ireo Malagasy mianatra sy milaravinahitra any Frantsa sy Eoropa. Hotanterahina ao amin’ny masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa izany. Eo koa ny dinika ifanaovany amin’ireo Frantsay mpandraharaha.
Nosavaina ny entan’ny filoha mivady
Tsiahivina fa nisy ny fisavana ny entan’ny filoham-panjakana mivady, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, nialoha ny niaingany ho fampahatsiavina ny andraikitra lehibe sahanin’ireo mpiasa eo anivon’ny fadintseranana, tahaka ny efa natao tamin’ny fivoahana tany ivelany, volana vitsy lasa.
Tsiahivina fa vao ny herinandro teo no nanatanteraka fitsidihana tany Rosia ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ireo delegasionina niaraka taminy, izao lasa nihazo ny any Frantsa izao indray ny tenany.
Synèse R.




