« Ndao hanova » : Tsy ekena ny kandidà tsy miankina amin’ny fifidianana

Niady hevitra tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ireo avy amin’ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena ary koa ireo tanora sy mpikaroka. Voaresaka ny fanavaozana ny fanaovana politika « Ndao hanova ».

Nivoitra tamin’izany fa ilaina ny fanarahan-dalàna sy fitsipika mifehy. Voa­resaka koa ny hanafoanana ny tsy miankina. « Manimba ny fa­naovana politika eto amintsika ny fisian’ny filatsahan-kofidina amin’ny anaran’ny tsy miankina. Tsy voavolavola anaty politika izy ireny. Mila foanana izany raha tiana ny hanana mpi­tondra manana vina sy foto-kevitra mazava », hoy ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Nomahafisiny fa ilaina koa ny fametrahana fanjakana matanjaka sy marina eto amin’ ny firenena. Teo koa ny avy amin’ny antoko Tia tanindrazana, tamin’ny alalan’ny filohany, Razafinjoelina Tahina. Nanam­bara izy fa matetika mijery ivelany fotsiny ny tanora rehefa hifidy. Tsy mandinika sy mamakafaka ny vina sy foto-kevitra. Anisan’ny mampahantra ny firenena izany, araka ny nambarany hatrany. Nohitsiny fa mora mivadika palitao ny mpanao politika noho ny tsy fipetrahan’ny lalàna mifehy ny antoko.

Fanomezana traikefa ny tanora…

Nivoitra tamin’izany koa fa tokony ho hentitra ny fanajana ny fitsipika sy ny lalàna amin’ny ambaratonga isan-tokony, hahafahana mampandroso ny firenena. Miainga eny anivon’ny fiarahamonina koa anefa izany, araka ny nambaran’ny manampahaizana momba ny lalàna sy ny fitantanana, Razafindehibe Céline Nathalie. «Ilaina ny fitsipika manomboka eo anivon’ny fanabeazana hatreny anivon’ny fiarahamonina ary fototra lehibe iaingana izany raha te hanova isika», hoy izy. Voa­laza fa tsy manana haitarika ny mpanao politika sasany.
Tsy resaka olona fotsiny ny fanavaozana fa ilaina ny dingana hatramin’ny hanorenana fi­renena vaovao. Anisan’ ny ni­son­gadina koa tamin’izao ady hevitra izao fa zava-dehibe ny hetsika nataon’ny tanora ho amin’ ny fanovana farany teo. Ilaina koa anefa ny fakana ny traikefan’ireo mpanao politika efa nitantana ka hampifamenoana ny fahaiza-manaon’ny tanora.

Synèse R.

Partager sur: