Tsy ampy ny fanentanana  

Miroso ny fanadiovana ny tanàna any an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Miavaka raha mitaha ny hatramin’izay ny fiaraha-mientan’ny mponina. Niverina hoazy ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanàna. Miara-mirona ny olon-drehetra. Mi­andahy miambavy. Na zaza na olon-dehibe, samy mitondra ny anjara birikiny manao izay ho afany.
Ampy izay ny fifendrofendroana sy ny fitsetserana. Mitaky asa sy ezaka ny takaitra navelan’ny rivodoza. Mila fandinihan-tena tena lalina ihany koa ho an’ny isam-batan’olona. Raha nozohina akaiky ny zava-misy, tsy ampy ny fiomanana, kanefa izay tsara fiomanana no tsy tampohin-doza. Izay tsy tampohin-doza rahateo no tena lehilahy.
Tena tsy nisy ny fanentanana sy serasera nifanentana tamin’ny tanjaky ny rivodoza. Tsy toy ny taloha ny fifampitaizana sy ny fifanabeazana. Totoafo ny fampirisihana olona hanamafy ny tafon-trano fahizay. Izay tsy mahavidy fitaovana, manindry ny azy amin’ny gony misy fasika. Ny hazo mety hitera-doza efa voatapaka andro maromaro.
Mila manatsara fomba fiasa ny Malagasy amin’ny fambolena kolontsaina tia misoroka loza. Miala amin’ny fitiavan-draha moramora sy vitavita ho azy. Mahavariana fa amin’ny vanim-potoan’ny teknolojia tena miroborobo indray vao mainka milentika ny fampitam-baovao sy ny fifanabeazana. Tsy ampy ny fampitana fahalalana sy ny fahaiza-miaina.
Tsy fotoan’ny latsa intsony izao, kanefa tsy azo hamaivanina ny fampahatsiahivana. Mbola mety hisy rivodoza maromaro rahateo handalo eto amintsika. Tsy mampaninona ny misoroka toy izay mitsabo. Tokony mbola tsy hiditra ny fo­toan’ny orana sy ny rivodoza dia efa miainga ny fanentanana sy fifampitaizana.
Tsy mendrika ny lako tampoka ny vahoaka malagasy. Afaka ny miaro ny tenany sy ny fananany, miaraka amin’ny fanohanan’ny raiamandreniny, dia ny mpitondra fanjakana, izany.

r.r

Partager sur: