VAOVAO TAMBATRA

Manomboka mahazo aina ny Ariary. Latsaky ny 5 000Ar avokoa ny sandan’ny euro sy ny dolara eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola, nanomboka ny faran’ny volana janoary teo. Omaly, 4 284,91Ar ny dolara iray, raha 4 503,13 Ar izany ny 23 janoary teo. Tafidina 4 993,76 Ar ihany koa ny euro raha 5 292,25Ar izany tamin’ny 28 janoray, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara.

Hanohana ny fandraharahana ao Taolagnaro ny Akao Hub izay ambohi-pihaonan’ireo tompona tetikasa sy mpanohana mpandrahahara. Nivoitra, nandritra ny dinika nataon’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta hanohanana ny mpandraharaha any Atsimo. Tanjona ny hampandrosoana ny toekarena sy ny fiveloman’ny mponina any an-toerana.

Mitohy ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro ho an’ireo mpisehatra hanatsarana ny fihariana sy ny velon-tenan’ireo mpanjono. Fanoitry ny fampandrosoana ny fandraharahana ny sehatry ny jono noho izy mampiasa olona maro sy mampidi-bola amina tokantrano an’arivony. Soa fanararaotra ho an’i Madagasikara ny maha nosy antsika ka tokony hotrandrahina mba hanatsarana ny toekarena.

Partager sur: