Ampitatafika : Vehivavy hita faty tsy nisy taova intsony

Nahitana fatim-behivavy iray efa niboridana tanteraka tetsy Ambohitsaratelo, Ampitatafika, omaly maraina.
Efa tapaka ny tanany ary tsy tao intsony ny fony sy ny taova hafa tamin’ny vatany.

Vehivavy iray, tokony ho 51 taona, hita faty tetsy Ambohitsaratelo, fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika, omaly maraina tokony ho tamin’ny 05 ora sy 40 minitra. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra sy ny mponina eny an-toerana ny zandarimariam-pirenena mi­asa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampitatafika. Tonga ni­dina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadiha­di­ana avy hatrany izy ireo sy ny mpi­tsabo taorian’izay. Fatim-behivavy iray efa tsy nisy akanjo sy niboridana tanteraka no hita teny an-toerana. Nitsilany miankohoka tamin’ny tany, manoloana ny vavahadin’olon-tsotra izy. Efa tsy nisy ta­nana intsony ny ilany havian’ny ra­zana. Tsy nisy taova in­tsony koa satria tsy tao intsony ny fony sy taova sasany tao amin’ ny vatany, nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana. Ankoatra izay, efa niala ihany koa ny nofo tamin’ ny tongony sy teo amin’ny lo­hany ary ny ta­rehiny. Nahi­tana ra niparitaka ny toerana manodidina azy.
Hita teny amin’ny manodidina ny entany

Natao ny fisavana ny toerana manodidina ny nahitana ny razana. Hita teo amin’ny 10 metatra miala izany ny taolan-tanany efa voakaikitry ny biby ny nofo taminy. Nitohy ihany izany, ary hita teo amin’ny 50 metatra ihany koa ny ny en­tany efa nihoson-dra, izay natao tao anaty harona plas­tika mainty. Nahitana poketra iray miloko volontany sy ny en­tany maro hafa. Toy ny akanjo sy kojakoka samihafa ary karapanondron’ny maty. Nan­dritra ny fisavana ny toerana no nahafantarana fa nisy dian-tongotra maromaro teny an-toerana. Raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo, kaikitry ny biby no hita tamin’io vehivavy io. Tombanana ho tamin’ ny 5 ora tany ho any no nahafaty azy.
Naterina teny anivon’ny tranom-paty HJRA Ampefi­loha ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny manam-pahefana. Mian­draikitra ny raharaha ny zandarimaria miasa ao amin’ny Poste Fixe Ampitatafika. An­drasana ny tohin’ny rahahara sy ny fahafantarana ny olona nahavanon-doza.

Mino

Partager sur: