Tohana ho an’ny mpandraharaha ka ahafahany manitatra ny tambajotram-pifandraisany sy mampahafantatra ny vokatra ataony ny hetsika “Foire des soldes” atao etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, manomboka rahampitso hatramin’ny 1 marsa izao. Hetsika karakarain’ny N.Com Agency. Hiavaka ity andiany fahafito ity noho izy hampiasana ny niomerika ka ahafahan’ny rehetra manerana ny Nosy manaraka mivantana ny zava-misy. “Hanampy amin’ny fampahafantarana ny vokatry ny mpandraharaha sy mivarotra izany ny fampitan-davitra atao”, hoy ny mpikarakara ny hetsika, Tahiry Fitiavana. Hisitraka izany avokoa, hoy izy, ireo tranoheva manodidina ny 200 handray anjara amin’ny hetsika. Hahitana kojakoja maro samihafa fampiasa andavandro amin’ny vidiny mirary ny Foire des soldes, satria mahatratra hatrany amin’ny 75% ny fihenam-bidy hita eny an-toerana, ho fitsinjovana ny mpanjifa.
Ankoatra izay, hisy vata handrotsahana izay voatsirambin’ny tanana sy handraisana fanampiana samihafa ho tolo-tanana an’ireo traboina ao Toamasina, mandritra ny efatr’ andro hanaovana ny hetsika.
Marihina fa manohana ny fandraharahana malagasy sy tosika ho an’ny toekarena ny fivelaran’ny tambajotram-pifandraisana.
Henintsoa




