Misy toerana mirefy 2 ha ametrahana panneaux solaires, manome 1,5 Megawatts, eny amin’ny ESPA Vontovorona. Ny Jirama no misahana ny asa rehetra. « Panneaux 800 amin’ny 2 000W no efa voapetraka amin’izao fotoana izao », hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra. Ho an’ny rano indray, efa misy lavadrano telo ao. Eo am-pikarakarana ny teknisianina ary efa tonga teny an-toerana ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Rano. Hanomboka amin’ny 13 marsa ho avy izao ny fisantarana ny taom-pianarana 2025-2026.
Efa 22 taona no nikarakara ny hetsika “Fetin’ny renibe” ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody, ny sabotsy manakaiky ny alahady voalohany amin’ny volana marsa. Ankoatra ny maha “fety” azy, fotoana iray tian’ny fikambanana hahafahana mampita hatrany ny maha sarobidy an’ireo zokiolona, ray aman-dreny nahitana masoandro, izany. Sady fanehoana ihany koa fa ilaina ny fiaraha-monina hifandraisan’ny sokajin-taona rehetra. Hanamarika ny fety ny sabotsy 7 marsa tontolo andro ny fikambanana.
Ambany ny herijika hisiana fiforonana andro ratsy hafa mandritra ity herinandro ity. Tombanana ho maina amin’ny ankapobeny ny morontsiraka afovoany-andrefana, atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy. Hitoetra kosa, amin’ny ankapobeny, ny oram-pahavaratra amin’ny faritra sisa rehetra.




