Nitsoraka tanaty rano : Lehilahy iray namoy ny ainy

Namoy ny ainy rehefa niezaka namono tena indroa nisesy ny raim-pianakaviana iray teny Ambodimita, boriborintany fahenina, omaly. Efa hitan’ny mponina manodidina naneho fihetsika hafahafa teny an-toerana io lehilahy io. Niezaka namono tena izy saingy nisy nahatsikaritra ka voasakana. “Saika hitsoraka tany ambany kodiaran’ny fiara nandalo izy. Nanavotra azy ny fokonolona”, hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Tsy nionona tamin’io fanavotana azy io anefa ilay lehilahy. Nanita-kevitra tampoka izy ka nihazo ny fefiloha. Nitso­raka tao anatin’ny rano ary tsy nipoitra intsony. Nitangorona ireo mponina manodidina nitazana an’io lehilahy io saingy tsy hita intsony izy. Niantso ny manam-pahefana ireto farany. Natao ny fikarohana saingy efa vatana mangatsiaka sisa nakarina tao anatin’ny rano. Tsy fantatra mazava ny nitarika ny famoizam-po ka nandrisika an’io lehilahy io hamono tena. Maro ireo tranga famonoan-tena. Fahadisoam-panantenana manoloana ny fiainana, amin’ny ankapobeny, no mandrisika ireo olona hanaotao foana tahak’izao.

Tsiferana R.

Partager sur: