Tsiroanomandidy : Jiolahy nandroba mpanao Cash point

Nambanan’ny jiolahy miisa efatra tamin’ny fitaovam-piadiana, voatery nanome ny vola rehetra tao an-tsena niampy ny vola vao nalaina tany amin’ ny banky, ny lehiben’ny Zap Fierenena, tao amin’ny fokontany Mangarivotra, kaominina Tsiroanomandidy, afakomaly alina. Nanararaotra fahatapahan-jiro ireo mpanao ratsy ka niditra tao an-trano tamin’ny 12 ora sy sasany, ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata 24 febroary. Nosimbain’izy ireo tamin’ny « barre à mine » ny hidim-baravarana natorian’ izy mivady tompon-trano. Ni­ezaka niantso vonjy ireo lasibatra, saingy tara loatra satria efa tafiditra ny jiolahy. Basy lava miisa roa no nentin’ireo mpanao ratsy tamin’io fotoana io, araka ny loharanom-baovao. Noterena hanome ny vola rehetra ny tompon-trano. Nihidy tany anatin’ny tsena anefa ireo vola ireo ka narahina tamin’ny fitaovam-piadiana avy aoriana ilay raim-pianakaviana. Lasa avokoa ny vola re­hetra tao amin’izy mivady. Mpi­varotra sady mpanao Cash point ity tokantrano lasibatra ity. Noraofin’ireo tsy mataho-tody avokoa ny finday fampiasa rehetra izay mbola nisy vola tany anatiny. Tsy namelan’izy ireo koa ny fira­vaka sarobidy. Nanao fanamiana toy ny mpitandro filaminana ireo jiolahy ireo, raha ny fanazavana. Voa­vely mafy teo amin’ny kibony ilay raim-pianakaviana rehefa nahazo izay nilainy rehetra ireo jiolahy. Tsy nahatsiaro tena io lehilahy io taorian’ny fahavoazany. Tafa­poritsaka ka niezaka niantso vonjy ilay ra­matoa vadiny, saingy efa lasa avokoa ireo jiolahy.

Tsiferana R.

Partager sur: