Mazava iny ny toromarika avy amin’ny Filoham-panjakana: miasa avy hatrany! Ny fanatanterahana azy no sisa. Tsy ny kabary ambony vavahady na ny teny midina tsy misy mpitarika anefa no hahavitana izany. Avy any ambony no modely sy fakan-tahaka. Tsy ho sanatrian’ny vava ka mpitari-bato vilam-bava. Efa dila izay ny efa-bolana, tsy misy zava-baovao fa ny fanohizana ny raharaham-panjakana teo aloha no misy.
Ekena fa miroborobo sy mahavelom-panantenana ny mahakasika ny diplaomasia. Tena hain’ny ekipan’ny fanavaozana iny, saingy ny sosialim-bahoaka kosa tokony ho laharam-pahamehana sy lohalaharana hatrany. Ny tontolo politika milamina sy araka ny fenitra no ahafahana miroso amin’izany. Eo no mipetraka ny fanontaniana: hiroso sa tsy hiroso amin’ny toky nomena teny am-pitolomana ilay nomem-pahefana?
Hatreto, tsy hita sy tsy mbola vita izay tondrozotra itondrana ilay firenena na ilay Tetezamita. Soa ihany fa efa nilaza ny « béret » maitso tany Rosia, nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, fa tsy maintsy vita amin’ny 28 fevrier izany. Fepetra iray, takin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo izany mba hanafainganana ny fifidianana. Fiverenana tanteraka amin’ny ara-dalàna.
Samy miandry izay ho tohiny ny olom-pirenena isanisany. Asa ahitam-bokany azo tsapain-tanana sy finiavana arahin’asa no andrandrain’ny isam-baravarana. Ekena fa samy manana ny manahirana ny saina sy ny kajikajiny ny isam-batan’olona, hatramin’ny mpitondra, fa tsy tokony hadino ny tombontsoan’ny besinimaro sy ny iombonana.
r.r




