Namoaka fanambarana ny Komity manokana miady amin’ ny gaboraraka (KMMGB), omaly, ny amin’ny fisiana kolikoly amin’ny valim-panadinana fidirana mpinatra ho mpitsara ao amin’ny Sekolim-pirenena mpianatra ho mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG) tamin’ ny 17 sy 18 ary 20 febroary lasa teo. Ahitana ireo ray aman-drenin’ny mpiadina sy ireo mpiadina manerana an’i Madagasikara ny komity. Izay fanahiana kolikoly izay no antom-pijoroany. Araka izany, takin’izy ireo ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny valim-panadinana amin’ny sampana ho mpitsara amin’ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana, sampana ho mpitsara momba ny kaonty, sampana ho mpitsara tsotra. Takin’izy ireo koa ny fitsirihana sy fanehoana amin’ ny mpiadina tsirairay ireo taratasim-panadinana mirakitra ny isa azon’ izy ireo tsirairay avy. Mba hisian’ny fangaraharana tanteraka no antony. Ankoatra izay, takin’izy ireo ny hanafoanana ireo valim-panadinana vonjimaika nivoaka farany teo. Toy izany koa ny fampiatoana vonjimaika ny fanadinana am-bava kasaina haroso. Mandra-pahitana ny tena marina izany. Miantso ny filohan’ny Fanavaozana sy ny minisitry ny Fitsarana ny komity handray andraikitra manoloana ny raharaha ity.
Anisan’ny fanambin’izao fitondrana Fanavaozana izao ny ady amin’ny kolikoly sy ny gaboraraka. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Hanao ahoana? Ho hita eo…
R. Nd.




