Harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna : Maromaro ireo olon’ny fitondrana teo aloha enjehina

Namoaka ny tatitra momba ireo fananana sy harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana izany (Arai), omaly. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ireo olon’ny fitondrana teo aloha.

Manodidina ny 200 mi­liara Ariary mahery ny vola nogiazan’ny sampandrandraha misahana ny famerenena amin’ny fanja­kana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna (Arai). Nivoitra izany tamin’ny tatitra nataon’ izy ireo, omaly, raha ho an’ny taona 2025. Nisongadina, ohatra, fa nogiazan’ny fanjakana ireo fiara miisa 116 sy moto 113 ary tany miisa 80 manana velarana 518 hek­tara.
Etsy andaniny, momba ny resaka fanodinkodinam-bolam-panjaka sy ny fanararaotam-pahefana kosa, miisa 641 ny fitambaran’ny olona voakasiky ny fampiharana ny didim-pitsa­rana, ka 41 ireo olona tena ni­sitraka ireo ha­rena azo tamin’ ny tsy ara-dàlana ireo. « Ny 15% amin’ izany no mpiasam-panjakana, raha 65% kosa avy eny anivon’ny sehatra tsy miankina. Olona akaiky ny mpitondra teo aloha ny ankamaroan’ireo voaenjika amin’ ny raharaha harena azo tamin’ ny tsy ara-dalàna ireo », hoy hatrany ny eo anivon’ny Arai.

Miandry didim-pitsarana ny momba ny filoha teo aloha
Momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry kosa, nambaran’izy ireo fa mbola miandry ny didim-pitsarana vao afaka hirosoana ny fanagiazana ny fananany. Tahaka izany koa ny Praiminisitra teo aloha, Ntsay Christian, araka ny nam­baran’ny eo anivon’ny Arai hatrany.
Tsiahivina fa maromaro amin’ireo mpanao politika no efa nitaky ny momba ny to­kony hanenjehana azy ireo. Tsy tokony hijanona amin’ilay mpandraharaha, Ravato­manga Maminiaina, tazonin’ ny fitsarana atsy amin’ny Nosy Maorisy ihany ny fanenjehana raha ny fanehoan-
kevitr’izy ireny.

Synèse R.

Partager sur: