Nanomboka omaly, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, sokajy ankizy sy vehivavy, ho an’ny taona 2026. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara. Raha 420 teo ny tamin’ny taon-dasa, niakatra ho 700 be izao ny amin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina Karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Notsiahiviny fa politika napetraky ny federasionina iraisam-pirenena ny fanatanterahana ity fifaninanana ity ary manaraka izany ny Federasionina malagasy. Nampiavaka ny tamin’ity andiany fahatelo ity ny fisian’ny fifaninanana eo amin’ny isan-tarika “mixte” ho an’ny ankizy ka ahitana mpikatroka, lehilahy 4 sy vehivavy 3, ao anaty ekipa iray. Eo ihany koa ny sokajy vehivavy, izay nahitana ny sokajy rehetra ho an’ny Kata sy Kumite. Tohin’ny fandaharam-potoana, anio sy rahampitso no hanatanterahana ny sokajy Kumite lahy sy vavy eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano.
Mi.Raz




