Andrasana anio ny fanolorana an’ny Sadc ny tondrozotran’ny fitondrana. Nanazava ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy tondrozotra no hatolotra fa tatitry ny dingana vita tao anatin’ny efa-bolana sy izay hatao aorian’ny fihaonana…
“Ny tsara marihina sy apetraka manomboka izao, tsy tondrozotra araka ny eritreretin’ny sasany”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ ny Bani, Ivato, omaly, momba ny hanolorana tondrozotra hitantanana ny Tetezamita ho an’ny Sadc, anio. Tsy tokony hampiasaina ny teny hoe tondrozotra. Tatitra no hatolotra. Inona no dingana vita tao anatin’izay efa-bolana izay? Inona no hatao manaraka ao aorian’ ny fihaonana aminy, anio? Izay no homena. Tsy hoe tondrozotra no homena dia horavana ny atsy sy aroa, dia hozaraina ny toerana. Tsy izay.
Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Manana fiandrianana amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Efa noraisina ny fanapahan-kevitra hoe: ny Malagasy no mitady ny vahaolan’ny samy Malagasy. Any amin’ny fikaonandoham-pirenena ny fifampiresahan’ny samy Malagasy. Efa handeha ny fikaonandoha ho an’ny tanora manokana. Mba hahazoan’ny rehetra miteny avokoa ny fifampiresahana. Ny hoe miova ny zavatra omena: mazava ny taratasy nalefan’ny Vondrona afrikanina, mandrisika ny fanaovana fifampiresahana hahazoana miroso amin’ny fifidianana.
Tsy maintsy havoaka amin’ny fomba ofisialy ny tatitra rehefa omena ny Sadc: inona no hotaterina any, inona ny fandaharam-potoana izao? Rahoviana ny fanombohana ny fikaonandoham-paritra sy ny fikaonandoham-pirenena, ny fanorenana ifotony ny fifidianana, ny fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka arakaraka izay havoakan’ny fikaonandoham-pirenena, rahoviana ny fifidianana filohan’ny Repoblika V… ?
Ankoatra ny sakafo, kamiao ana miaramila enina sy helikoptera roa ary fitaovana samihafa avy amin’ny fanjakana rosianina hiatrehana ny asa fanarenana ny fahavoazana vokatry ny rivodoza no noraisina tamin’ny fomba ofisialy teny Ivato.
R. Nd.




