Lalao ara-pirahalahiana : Fantatra ireo firenena roa hidona amin’ny Barea

Ny ekipan’i Kirgizistan sy i Ouganda no hifandona amin’ny Barean’i Madagasikara, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana. Tafiditra ao anatin’ny « Fenêtre Fifa », izay hatao amin’ny volana marsa ho avy izao, any Torkia, izany.

Araka ny filazan’ny loharanom-baovao, fantatra ny anaran’ireo firenena hidona amin’ny Barea amin’ny lalao ara-pirahalahiana. Ho­ton­tosaina ny volana marsa ho avy izao, any Antalya Torkia, izany. Raha tsy misy ny fiovana farany, i Kirgi­zistan, avy ao Azia, laharana faha-103 amin’ny laharan’ny Fifa sy i Ouganda, aty Afrika, laharana faha-88, no hifandona amin’ny ekipa nasionaly malagasy. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nahenoina siosion-dresaka ny mahakasika ny andro hanaovan’ny Barea ny fampivondronana sy ny daty hamoahan’i Corentin Martins, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, ny lisitr’ireo mpilalao hiaro ny voninahitr’i Madagasikara. Marihina fa zava-dehibe ho an’i Mada­gasikara ity fihaonana ara-pirahalahiana ity. Hiankina amin’izay vokatra azo eo mantsy ny mety hampiova na tsia ny filaharan’ny Barea ao amin’ny Fifa. Aorian’io volana marsa io, mety ho fantatra ny anaran’ireo firenena hiady ny tapakilan’ny Can 2027 amin’ny Barea.

Hijery ireo mpilalao eto an-toerana i Corentin Martins
Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco plus By-pass, ny lalao ara-pirahalahiana natao ha­nampiana an’ireo mpisehatra baolina kitra traboina ao
amin’ny faritr’i Toamasina. Hifandona amin’ny ekipan’ny Elgeco plus ny mpilalao voafantin’ny vondrona avaratra. Hifampitana amin’ny Disciples FC kosa, ireo mendrika ao amin’ny vondrona atsimo. Tsiahivina fa mandritra ireo lalao roa ireo no hijerevan’ny mpanazatra ireo mpilalao eto an-toerana.

Fitia Randria

Partager sur: