Tsipy kanetibe: Hanatrika «Mondial» miisa roa ny Malagasy

Nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsiazotafo, ny alakamisy teo, ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), Andrianirina Adrien. Tamin’izany no nilazany fa hiatrika fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial” miisa roa i Ma­dagasikara, amin’ity. Voa­lohany, ny “senior” olon-telo miaraka, lehilahy, hotanterahina any Malaisie, ny 17 – 21 septambra ho avy izao. Faharoa, ny an’ny zandriny, hatao any Espagne, ny 30 jolay – 2 aogositra ho avy izao. Noho izany, nanao antso avo ho an’ny minisitera ny tenany amin’ny fanohanana ny ekipa malagasy mba ho azo alo­han’ny fifaninanana izany, tsy hisian’ny vesatra ary hahazoana mandrindra ny lafiny teknika. Ankoatra ireo, hisy koa ny fihaonana iraisam-pirenena hafa, toy ny famaranana lehibe ho an’ny “Passion Petanque Française (PPF)”, hatao any Douaisis, France, ny 7 sy 8 marsa ho avy izao. Hanainga ny talata ho avy izao i Lova sy i Tonnerre, hiatrika izany. Efa miandry azy ireo any an-toerana kosa i Yves Sedrick. Eo koa ny “Masters de France” sy ny “Tournée Estivale” ary ny “Tournoi zone 4” ho an’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, atsy Maurice. Hisy hatrany ny fifaninanana fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena. Ankoatra izay, hisy fizarana ny kara-pilalaovana ho an’ireo mpilalao matihanina sy ny tsotra.

Tompondaka

Partager sur: