Notsatohana antsy indroa tao amin’ny faritry ny lamosiny sy ny feny, naratra mafy ka voatery nentina teny amin’ny hopitaly, ny lehilahy iray mpanatitra entana, teny amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Alasora, afakomaly. Nitondra bisikileta io lehilahy izay avy eny Ankadikely Ilafy io. Nitondra entana efa nisy nanafatra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera izy […]
Mois : février 2026
Ampasika : Vehivavy iray hita faty nentin’ny ranon’Ikopa
Nahitana fatina vehivavy iray manodidina ny 20 taona teo ho eo indray ny reniranon’Ikopa, tetsy Ampasika Avaratra, omaly hariva tamin’ny 5 ora. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra fatin’olona natsingevan’ny rano. Niondrika tao anaty rano ny fahitana ny razana nandritra izany. Vory lanona ny mponina nahita izany. Lehilahy […]
Nanaraka an-drainy naka fasika : Zazavavy telo taona, maty nohitsahin’ny sarety
Namoy ny ainy, voahitsaky ny sarety, tetsy Mahamaintiomby Anjozorobe, ny zazakely vao telo taona, omaly maraina. Nipitika avy eny ambony sarety izy, voahosin’ny kodiarana ny lohany. Nitrangana loza namoizana aina tao Mahamaintiomby, kaominina ambanivohitra Belanitra, disitrikan’ Anjorozobe, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Sarety iray, nitatitra fasika, no nihavian’ny loza. Niaraka […]
Karate-“Inter Makawa” : Nahatratra 215 ny mpandray anjara
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Espace Queen Fanomezantsoa Ambohimangakely, ny fifaninanana “inter Makawa”, taranja karate. Fifaninanana andiany faharoa, izay efa natomboka tamin’ny herintaona, ity fifaninanana ity. Nisy ny fitokanana ny Seiko No kai Kama nandritra izany, ankoatra ny fifaninanana sy seho Body karate izay nampiavaka ny hetsika. Natao […]
«Journée de l’UJSM» : Hatao ny 14 sy 21 marsa ho avy izao
Ao anatin’ny fandaharanasan-dRabenaivo Alain, filohan’ny Union des journalistes sportifs de Madagascr (UJSM), ny fandraisan’ ny mpanao gazety mikirakira ny fanatanjahantena anjara amin’ireo taranja misy eto Madagasikara. Nambarany fa misy ny fiaraha-miasa amin’ ireo ligy sy federasionina ka ampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ny andro ho an’ny UJSM na “Journée de […]




