Mois : février 2026

Federasionina malagasin’ny tenisy: Lany ho filoha Andriantefihasina Hary Manohisoa

Vita omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe ara-potoana hifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy. Hitondra izany mandritra ny efa-taona manaraka indray Andriantefihasina Hary Manohisoa. Nahazo filoha vaovao ny taranja tenisy. Voafidy hitondra sy hitantana ny Federasionina, mandritra ny efa-taona manaraka indray, Andriantefihasina Hary Ma­nohisoa. Nahazo vato 100 […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo isa telo indray ny CFFA Andoharano­fotsy, omaly, tetsy Iavoloha. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Antimo Record. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahatelo taraiky amin’ny fifanintsanana nasionaly, « Pureplay Football League (PFL) ». Ny sabotsy ho avy izao, hanafika ny Disciples FC, any Antsirabe, ny CFFA. Hotontosaina ny […]

INDRAY MIJERY

Niara-nidinika tamin’ny ekipa teknika momba ny ranon’ny Jirama teny Mandroseza ny delegasionina mpikaroka avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa notarihin’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, niaraka tamin’ny tale sy mpikaroka avy amin’ny Ivontoeram-pikarohana sy avy ao amin’ny sekoly ambony Polytekinika Antananarivo (ESPA)-Vontovorona. Nojerena ifotony, nandritra izany, ny zava-misy […]

Village Voara: Maimaimpoana ny famindrana zaza hotsaboina

Omaly, efa vonona tanteraka ny fotodrafitrasa ao amin’ny Village Voara, hamindrana ireo zaza tsy maintsy ampidirina hopitaly vokatry ny aretin’ny taovam-pisefoana, bronchiolite. Vonona ny fitaovana ilaina rehetra, ahitana fandriana sy kojakoja fitsaboana, oxygène, ny fanafody ilaina amin’ny fitsaboana ary ireo ekipa mpitsabo sy mpikarakara ny marary efa nahazo fiofanana manokana. […]

Fanampiana traboina : Nahazo tohana ny Akany Onjasoa Toamasina

Anisan’ny rava tanteraka, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny Akany Onjasoa ao Tanambao Verrerie II, Toamasina. « Potika sy rava ny 90% ny sekoly, izay ahitana mpianatra manodidina ny 1 340 isa sy mpanabe 32 », hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana Malaza ny Gasy, Raza­namanantsoa Emma. Anisan’izany ny efitrano fianarana rehetra hatramin’ny […]