Fanadihadiana an-tokantrano-MICS 7 : Mampanahy ny fanabeazana, faha­sa­lamana ary ny fanjarian-tsakafo

Natolotra omaly, teny Alarobia, ny valin’ny fanadihadiana notontosaina teny anivon’ny tokantrano mahakasika ny zo sy ny filana fototra ho an’ny ankizy sy ny vehivavy (MICS fahafito).

Ahafantarana ny zava-misy amin’ny lafiny sosialy, indrindra ny ankizy sy ny vehivavy, ny fanadihadiana. Ahafahana mandray fanapahan-kevitra sy mametraka paikady entina manatsara ny fiainan’ny mponina ihany koa. Zava-dehibe ny fananana olona afaka manome vokatra hampandrosoana ny firenena. “Ho fitaovana hahazoana mandrindra paikady hitondrana fanatsarana ho an’ny olona mamokatra sy miasa ny valin’ny fanadihadana Mics 7”, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé. “Tao anatin’ny fito taona farany, tsy nisy loatra ny zavatra niova raha zohina ny valin’ny fanadihadiana momba ny zon’ny ankizy, amin’ny ankapobeny”, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Chris­tine Jaulmes. Nitombo ny taham-pahafatesan’ny zaza latsaka ny 5 taona. 73 amin’ny zaza 1 000 teraka velona no tsy mahatratra ny fahadimy taonany. Ho an’ny fanabeazana, nitombo ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly saingy vitsy no mahatafita hatramin’ny kilasy T5 satria nidina ho 46,8% izany raha 55,9% ny taona 2018.
Momba ny fanjarian-tsakafo, mampanahy ny zava-misy, zaza latsaky ny 5 taona iray amin’ny telo (37%) no tsy mitombo araka ny tokony ho izy. 42% amin’ny zaza vao teraka hatramin’ny dimy volana no minono tsy misy fangarony amin’ny reniny mandritra ny enim-bolana voalohany aorian’ny fahaterahana. 23% amin’ny zaza enim-bolana hatramin’ny 2 taona no mihinana sakafo miovaova. Mbola nanamafy ny mpandrindra ny sampandraharahan’ny Firene­na mikam­bana eto Madagasi­kara, i Anthony Ngororano, fa tena maika ny fametrahana vahaolana mitodika amin’ny vondron’olona marefo ho an’ny sehatra telo: ny fanjarian-tsakafo, ny fahasalamana ary ny fanabeazana, ahazoantsika manatratra ny tanjon’ny Fampandrosoana lovainjafy amin’ny taona 2030.

Vonjy

Partager sur: