INDRAY MIJERY

Ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo , indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao Toamasina, nomena fiofanana mahakasika ny fitiliana sy fandraisana an-tanana izany ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana eny ifotony ao anatin’ny SDSP Toamasina I. Nohamafisina manokana ihany koa ny fanaovam-baksiny mba hisorohana ireo aretina azo sorohana.
Notontosaina tao amin’ny INSPC Mahamasina ny lanonana ofisialy fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo “Epidémiologistes de terrain” avy amin’ny FETP-PL, andiany faharoa, tohanan’ny Fonds mondial. Misalotra ny anarana « Salama », ireto andiany faharoa ireto. Miisa 30 ka ny 28 avy amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka ary ny 2 avy amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny biby.
Nanatanteraka fivoriana tao Johannesburg, ireo minisitra misahana ny fahasalamana rehetra mpikambana eo anivon’ny vondrona Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, Dr Managna Monira. Tanjona ny handinihina sy hanombanana ny toe-pahasalaman’ny mponina amin’ny ankapobeny aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, indrindra ireo olana goavana mahakasika ny fahasalamam-bahoaka.

Partager sur: