Nandritra ny fihaonamben’ny mpampivelona, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovana antso avo ny hidiran’izy ireo anatin’ny holafitra, hiarovana azy ireo amin’ny asany sy hidirany anaty rafitra ara-dalàna. “Takin’ny lalàna mihitsy ny fidirana anaty holafitra mialoha ny hanatanterahana ny asa no sady fiarovana azy ireo raha sendra olana any am-panatanterahana ny asany”, hoy ny filohan’ny ONSFM, Rasoanaivo Tiana Malala José Oliva.
Mahatratra 23 000 ireo mpampivelona voasoratra anarana ara-dalàna anatin’ny Holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara (ONSFM). Nilaza anefa ny filohany fa vitsy io antontanisa io raha ampitahaina amin’ny isan’ireo mpampivelona am-perinasa.
Miharihary ihany koa fa misy ireo mampiasa diplaoma hosoka amin’ny fanatanterahana ny asan’ny mampiveloana. Loza mitatao amin’ny fiarahamonina izany ary ilana ezaka manokana ny fanatrarana azy ireny. Antony hanentanana ireo mpampivelona rehetra hiditra ao anatin’ny holafitra izany, hanavahana ireo rasazy tena izy sy ny mpisandoka.
Nandritra ny fihaonambe no nahafantarana fa hotanterahina any amin’ny faritra Anosy ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona, amin’ ny volana mey ho avy izao.
Tatiana A




