TARATRY ny KANTO

Seho tsy nampoizin’ny maro ny an’i Lalatiana, omaly. Nandalo kely an-tanindrazana, ary tsy nieritreritra ny hiaka-tsehatra izy. Noho ny fangatahana manokana anefa, nisy ny fiarahana tampoka tetsy amin’ny Piment Café, halina. Na alatsinainy aza, tsy nanakana ireo tena mpankafy tonga nameno ny efitrano izany. Fotoana mamy, nanararaotana ireo hira tsy tontan’ny ela, nanarahin’ny mpankafy an’i Lalatiana hatramin’izay. Tsiahivina fa saika hanao fampisehoana teto izy, ny volana oktobra lasa teo, saingy voatery najanona izany noho ny savorovoro nisy teto amin’ny firenena. Fantatra fa hisy kosa ny seho goavana amin’ity taona ity.
« Soritra voalohany », fampirantian’i Nary Arthur. Hotontosaina ny 9 marsa hatramin’ny 17 avrily izao izany, ao amin’ny Lovasoa 4 C Antsirabe. Manana efitrano fampirantiana, natokana hanasongadinana ny sanganasa sy ny talentan’ireo mpanakanto miavaka toa an’i Nary arthur ny toerana. Tabilao vitsivitsy, nosinganina manokana, izay maneho ny vehivavy sy ny tontolony no harantiny mandritra io fotoana io. Natokana indrindra ho fanomezam-boninahitra ireo vehivavy mantsy izany, izay miseho amina vanim-potoana maro. Ankoatra ny fampirantiana, hisy ny atrikasa izay iarahana amin’i Nary Arthur, ny 13 hatramin’ny 17 avrily.
Voafidin’ny Fondation Louis Roederer ho an’ny « Prix Découverte 2026 » ilay tetikasa « (Tsy) possible ». Ketrik’i Charlotte Yonga, teraka nandritra ny fikotrehana teto Antananarivo, ny taona 2024, ny tetikasa, izay naseho nandritra ny fampirantiana « Memoria : récits d’une autre Histoire ». Reharehan’ny Fondation H izany, satria tao amin’ity ivokolo ity no niketrehana sy nanosehana ny tetikasa ho anisan’ireo ketrika misongadina amin’ny forona ara-javakanto ankehitriny. Manohy ny fanohanana an’i Charlotte Yonga sy ny tetikasany rahateo ny Fondation H.

Partager sur: