Andron’ny vehivavy : Hanetriketrika ny hetsika eto Antananarivo

Hotanterahina eto Anta­nanarivo ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. « Ny vehivavy, hery iray ho an’ny fanavaozana ny firenena » no lohahevitra voizina mandritra ny fankalazana izay mifanaraka amin’ny lohahevitra iraisam-pirenena napetraky ny ONU : Zo rariny, fandraisana andraikitry ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra.
Maro an’isa ny vehivavy ary andron’ny fanavaozana izao ka mila aseho ny maha tompon’andraikitra amin’ny fanovana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra, indrindra ara-toe-tsaina.
Mbola maro ny tsy fanajana ny zon’ny vehivavy ka rariny ny fitakiana ny zo sy hanana fahaleovantena sy fitoviana ara-tsosialy sy ara-politika.
Marolafy ny hetsika hatao ao amin’ny Kianja Barea. Hiakatra eto Antananarivo avokoa ireo solontenany avy any amin’ny faritra 24. Eo ambany fiahian’ny vadin’ny Filoham-panjakana, Ran­dria­ni­rina Elisa, eo ambany fitarihan’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharini­rina Sidonie, ny hetsika.
Fanompoam-pivavahana no hanokafana izany, anio. Mifototra amin’ny andry stratejika 5 ny firaisankina nasionaly. Hisy ny adihevitra momba ny fahaleovantena ara-toekarena. Ny zo sy fiarovana ny vehivavy kosa no iarahana amin’ireo andriambavilanitra. Ankoatra izany, eo koa ny fampirantiana hanasongadinana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy, ny fanavaozana ary ny fandraharahana. Ny 8 marsa no lanonana ofisialy ho fanamarihana nasionaly.

Tatiana A

Partager sur: