Fisitrahana zo ara-pananahana : Nanamafy ny fanoloran-tenany ireo mpiantsehatra

Mitaky ezaka betsaka amin’ny ankolafin-kery marolafy ny fampisitrahana ny zo ara-pananahana raha ny eto Madagasikara. Nanamafy ny fahavononany ireo mpiantsehatra.

Natao teny Ivandry, tamin’ity herinandro ity, ny sonia fanamafisana ny fanoloran-tena momba ny fanatrarana ny ezaka amin’ny fisitrahana ny zo ho salama ara-pananahana ho an’ny vehivavy.
Nodinihina lalina ireo paikady sy fepetra hentitra hoentina manatsara sy miaro ny zo ara-pananahana sy ara-piterahana ho an’ny vehivavy.
“Tanjona ny hanatsarana ny kalitao sy ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana mi­fo­totra amin’ny fanajana ny zo maha olona”, hoy ny fanazavan’ny tale misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana, Dr Rajoelina Toky. Hampitovy lenta ny fahafahan’ny vehivavy rehetra manerana ny Nosy hahazo fitsaboana tsara kalitao sy hanamafy ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony mba hanatrarana ireo faritra lavitra sy marefo indrindra izany.
Fanamby iombonana ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vehivavy. Mitaky fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra izany ho fanorenana Firenena salama sy matanjaka.
Samy nanaiky ny rehetra fa mbola betsaka ny sakana eo anivon’ny fianakaviana na fiarahamonina amin’ny fanapahan-kevitry ny vehivavy han­dray an-tanana ny fahasalamany ara-pananahana na ny fiarovan-tenany amin’ny karazan’aretina mety ho azo amin’izany.
Mila jerena ny famatsiam-bola maharitra

Niompanan’ny ady hevitra koa ny fahafahana mampitombo ny fampiasam-bola ho an’ny fahasalamana ara-pananahana. Samy nilaza ny ezaka tokony hatao ny isan-tsehatra. Nofaritana ny zavatra tena laharam-pahamehana sy ny vola ilaina. Eo koa ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny vola sy ny fanaovana ny tatitry ny fandaniana izay tokony hiantefa amin’ny tena mila izany. Teo ireo solombavambahoaka nilaza ny andraikitra tokony hataony sy ny fanentanana amin’ny fampiharana ny lalàna.

Tatiana A

Partager sur: