INDRAY MIJERY

Notanterahina tamin’ny boriborintany eto Anta­nanarivo ny fizarana fanampiana sakafo ho an’ireo fianakaviana marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy. Nisy ny fiakaran’ny rano tany amin’ireo toerana sasany eto an-drenivohitra, ny herinandro teo. Vary sy biscuit fortifiant no nozaraina tamin’ireo traboina, hanamaivanana ny fahasahiranana atrehiny. Tokatrano miisa 421 ao anatin’ny distrika Tana I; 280 Tana III; Tana IV miisa 66, Tana V: 341 ary Tana VI nisy 52 no nisitraka izany. Avy amin’ ny Programme alimentaire mondial (Pam) ny fanampiana ary ny BNGRC no miandraikitra ny fandrindrana sy ny fanatanterahana ny fizarana.
Notontosaina tao amin’ny INSPC Mahamasina ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo “epidémiologistes de terrain” 30 avy amin’ny FETP-PL andiany faharoa, tohanan’ny Fonds mondial. Dimy amin’izy ireo no avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra ka mitsinjara avy amin’ny Direction régionale de la santé publique Vaki­nankaratra, SDSP Antsirabe 2, SDSP Mandoto, SDSP Ambatolampy ary Antanifotsy. Antony maha zava-dehibe ny fisian’ireto epidémiologistes de terrain ireto ny hitondra vokatra tsara amin’ny fifehezana ny valanaretina. Hanamafy ihany koa ny fanaraha-maso ny aretina sy hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-potoana sy mifototra amin’ny antontanisa ny tanjona
Nifarana ny zoma teo ny fampiofanana ireo mpampiofana avy amin’ny faritra dimy hisitraka ny tetikasa D-Clic. Nizara ny mari-piofanana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio. Hanomboka avy hatrany ny fampiharana ny D-Clic eny anivon’ireo ivontoeram-panofanana voakasika. Tanora hatrany amin’ny 1 000 no hofanina ary ezahina ho vehivavy ny antsasa-manila mba hisian’ny miralenta.

Partager sur: