Nandritra ny fivoriana faha-39 nandraisan’ny mpitondra fanjakana afrikanina anjara, tany Addis-Abeba, ny volana febroary lasa teo, lohahevitra nisongadina tamin’ny lahadinika ny rano. Niompanan’ny adihevitra ny fahafahana manana antoka ho an’ny fisian’ny rano maharitra sy ny rafitra fanadiovana hahatratrarana ny tanjon’ny taona 2063. Zo fototra ho an’ny isam-batan’olona ny fisitrahana rano madio hidiovana, hikarakarana sakafo sy hosotroina ary ampiasaina amin’ny fihariana samihafa. Andro maneran-tany natokana ho an’ny rano ny 22 marsa. Lohahevitra noraisina ho an’ity taona ity ny Rano sy ny miralenta, rehefa misy ny rano, miroborobo ny fitovian-jo. Lohahevitra mampisongadina ny andraikitry ny vehivavy sy ny zatovovavy amin’ny fitantanana ny rano.
Eto Madagasikara, araka ny valin’ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (MICS 2025 Madagascar), 90% ny tokantrano no mampiasa rano misy bakteria (d’E Coli). Mety hiteraka aretina samihafa izany toy ny aretim-pivalanana (indrindra ho an’ny zaza madinika), kankana ary ny koléra. Ny ankizy anefa manana zo hisitraka fahasalamana, rano madio fisotro araka ny fifanarahana mahakasika ny zon’ny ankizy. Mahatratra 15,6% ny tahan’ny fampiasana rano tonga ao an-trano, avy amin’ny vovo tsy lavitra ny toerana.
Mbola olana ho an’ny isan-tokantrano ny fisitrahana rano madio eto Madagasikara noho ny antony samihafa ka sarotra ny hahatratrarana ny tanjona napetraka hisitrahan’ny daholobe rano madio fisotro amin’ny taona 2030.
Vonjy




