Fahasalamana ara-pananahana: Nandray ny delegasionina Ipas sy solombavambahoaka i Toliara

Namita iraka tany Toliara ny Ipas Afrique francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice réproductive. Nanatanteraka hetsika faobe ho fampahafantarana ny lalàna laharana 2017- 043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana izy ireo.

Nihaona tamin’ny talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Atsi­mo Andrefana, Rambeloson Basile Casimir, ny herinandro lasa teo, ny delegasionina notarihin’ny filohan’ny Réseau parlementaire national pour la justice réproductive, ny Dr Rajaobelina Lova Herizo. Nisy solombavambahoaka, rasazy, mpahay lalàna misehatra amin’ny fiarovana ny zo maha olona, tanora ary mpahay serasera momba ny fahasalamana niara-dia taminy.
Nitarika ny mpiara-miombon’antoka ny tomponandraikitra misahana ny haitaky sy fiaraha-miasa eo anivon’ny Ipas Afrique francophone, Ravololomboahangy Holisoa. Nanotrona azy ny solonte­nan’ny Ipas eto Madagasika­ra, rasazy Razanaliliany Ha­jasoa. Niaraka tamin’izy ireo ny mpiandraikitra ny serasera, Paul Philippe Nguessan.
Nifantoka tamin’ny fanatanterahana ny hetsika faobe nanentanana ny tanora ao amin’ny faritra ny mahakasika ny lalàna 2017-043 ny dinika. Naharitra telo andro ny hetsika tany ifotony. Naneho fahavononana ny hanohana ny mpisehatra amin’ny fahasalamana ara-pananahana ny talem-paritry ny Tanora.
«Zava-dehibe ny fahatongavanareo eto Toliara», hoy ny lehiben’ny prefektiora, IbramdJee Bruno. Niompana tamin’ny sokajin’olona marefo, manoloana ny aretina vokatry ny firaisana ara-nofo ny fanazavany. Ilaina ny fanentanana. Hiroso amin’ny fiaraha-miasa izy ireo. Niatrika ny fotoana ny lehiben’ny distri­kan’i Toliara II, Rakotovao Harimamy Lalaina.

Manatona vahoaka
Fidinana teny anivon’ny fiarahamonina no nandrafitra ny fandaharam-potoana, ny faran’ny herinandro teo. Tao amin’ny DRJS Atsimo An­drefana no natao ny atrikasa niarahana tamin’ny olona manana fahasembanana, ny maraina. Dinidinika niarahana tamin’ny vahoaka eny ifotony, notanterahina tany amin’ny kaominina Betsinjaka, kosa ny folakandro. Namaranana ny hetsika faobe ny fampahafantarana ny lalàna 2017- 043, ny sabotsy lasa teo, tany amin’ny kaominina Mangily.

Vonjy

Partager sur: