Hafarana avokoa ny fitaovana sy kojakoja fitsaboana nify eto Madagasikara ka mampalafo ny saran’ny fitsaboana. Vitsy koa ny mpitsabo nify eto amintsika. Mbola miatrika olana goavana ny sehatry ny fahasalaman’ny ativava, eto Madagasikara. Vitsy ny mpitsabo nify, lafo ny fitaovana, tsy ampy ihany koa ny fisorohana. Manaitra ny tomponandraikitra samihafa ireo mpisehatra ka miantso fandraisana andraikitra. “Tsy ampy ny mpitsabo nify sy ny manam-pahaizana eto amin’ny firenena ka ny fisorohana no tokony hatao laharam-pahamehana”, hoy ny filohan’ny Ordre national des odonto-stomatologistes (ONOS), Dr Rabemananjara Daniel, ny zoma teo, tetsy Antaninarenina. Manomboka amin’ny 4 000Ar ny saran’ny fanalana nify ho an’ireo mpitsabo sasany saingy mbola mavesatra sy sakana ho an’ny fahefa-mividin’ny tokantrano izany. Maro no tsy manatona mpitsabo raha tsy efa tena mafy ny aretina. Misy koa ireo miezaka mitady vahaolana hafa entina mitsabo. Nilaza ny filoha lefitry ny fikambanana mpitsabo
nify malagasy “Association dentaire malagasy” (ADM) fa” latsaky ny 1 400 ny mpitsabo nify eto Madagasikara raha tokony ho mpitsabo iray ho an’olona 10 000, araka ny fenitry ny OMS.
Henintsoa




