INDRAY MIJERY

Andro maneran-tany ho an’ny toetry ny andro, omaly. «Mandalina ny anio ho fiarovana ny ampitso” ny lohahevitra novoizina amin’ity taona ity. Ankalazaina amin’ity taona ity ihany koa ny faha-125 taonan’ ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Momba ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity, varatraza malefaka no handrafitra izany ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy hatramin’ny zoma.
Namoaka naoty ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa momba ny fanatanterahana ny fampianarana ampitain-davitra, an-jotra, eo anivon’ny fampianarana ambony. Misy ny fepetra tsy maintsy arahina ho an’ny toeram-pampianarana. Voaresaka ao ny fomba fampianarana, fampiasana ny teknolojian’ny fampianarana ampitain-davitra, fampitoviana sy fijerena manokana ireo mpianatra, kalitao sy fahamarinan’ny fanadinana, fahazoan-dalana ary ny fanaraha-maso.
Ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitaleavam-paritry ny fonja sy ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Amoron’i Mania, tanterahina ny fampiofanana arakasa momba ny zaitra ho an’ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’Ambositra, Ankorombe. Haharitra roa herinandro ny fampiofanana amin’ny fanamboarana akanjo sy zipo ho fanomanana ny fiverenana anivon’ny fiarahamonina sy hisorohana ny fiverenan’ireo voafonja amin’ny asa mifanohitra amin’ny lalàna.

Partager sur: