Terak’Imady Ambohipo : Nahaliana an’Antananarivo ny Savika

Nahaliana ny mponina teto Antananarivo ny hetsika ara-kolontsaina Betsileo, Savika, nokarakarain’ny terak’Imady Ambohipo na fikambanana Fitia. Tetsy Mahatsinjo, kaominina Alasora, distrika Avaradrano, no nanatanterahina izany.
Nanafatra mpisavika manokana avy any amin’ny faritany niaviany dia ny Betsileo ireo mpikarakara nanomezana aina tsara io kolontsaina io. Tao koa ireo zanaky ny faritra monina eto Antananarivo izay nandray anjara.
Tolon’omby no fiteny mahazatra ny mponin’Antananarivo. Tamin’io alahady io vao nanatri-maso mivantana ny ankamaroan’ireo liana. Tao ireo ray aman-dreny nitondra ny zanany namantatra izany kolontsaina izany.
Efa voajary ny toerana ka tsy nisy nahina ny amin’ny fandriampahaleman’ireo mpijery. Nanatrika ny fotoana ny avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ny solontenan’ireo solombavambahoaka sy ben’ny Tanàna voafidy avy amin’iny faritra iny. ankoatra ireo raiamandreny be avy amin’ny faritany betsileo.
Mbola hisy indray ny hetsika ny 03 mey izao. Izay hatao eny Ambatomirahavavy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny terak’Imady Ambohipo – Fitia, Andria­miherintsoa Tolojanahary.

Tatiana A

Partager sur: