Marihina ny 2 avrily ny Andro maneran-tany ho fanentanana momba ny autisme. Mikarakara hetsika ny antenne isam-paritry ny fikambanana Autisme Madagascar. Ho an’ny eto Analamanga, hisy ny fifampizarana sy fijoroana vavolombelona momba ny autisme sy ny andavanandron’ny fianakaviana manana olona autiste ao an-trano. Eny amin’ny tranomboky monisipaly Analakely no handraisana ny hetsika. Hitohy amin’ny fanentanana eny anivon’ny sekoly ny fanamarihana ny 17 ka hatramin’ny 24 avrily ho avy izao.
Anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny famantarana ny toetr’andro, mitondra ny lohahevitra « Mandalina ny anio ho fiarovana ny ampitso », nisy atrikasa fiaraha-mamokatra iarahana amin’ny sehatra fototra: fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, fambolena, fahasalamana, angovo ary rano, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hamantatra ny filana manokana ilain’ny sehatra tsirairay hampifanaraka sy hanatsarana hatrany ny vokatra avy aty amin’ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Nivondrona sy niara-niasa ireo solontena avy amin’ny sehatra fototra.
Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha sy ny vaovao, Rajaonarison Sendra Nirina voatendry hitondra ity minisitera ity.




