Tetikasa fanadiovana PIAA2 : Tsy ho tondraka intsony Mahamasina sy Antanimena…

Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fidirana amin’ny andiany faharoa amin’ny fandaharanasa fanadiovana an’Antananarivo (PIAA2). Tafiditra ao anatin’izany ny etsy Analakely sy Mahamasina ary Antanimena.

Nambaran’ny ben’ny Tanàna, teo aloha, izay mbola mitantana vonjimaika ny Renivohitra, Rama­nantsoa Harilala, fa tafiditra amin’ny fiarovana an’Antana­narivo amin’ny fiakaran’ny rano ny PIAA2. « Tsy ho tondraky ny rano intsony ny eny Antanimena sy Analakely ary Mahamasina, hatreny Ano­sy », ­hoy izy. Nanteriny fa hisy ny fanajariana sy fanatsarana ary koa fanamafisana ireo lakandrano rehetra amin’ireo toerana ireo. Anisan’izany ny fanoloana sy fanatsarana ny fantson-drano miainga etsy amin’ny ranon’Anosy mihazo an’i Mahamasina, anoloan’ny kaomisaria. Nanomboka oma­ly ny asa. Araka izany, ho voaelingelina ny fifamoivoizana sy ny asa andavanandro amin’ireny toerana ireny. Anisan’izany ny fahatapahan-dalana. Ny fanafoanana toby fiantsonan’ny taxi-be ary koa ny fiviliana manoloana ny fanapahan-dalana tsy maintsy hatao. « Efa mametraka lamina momba izany eny an-toerana ny mpitandro filaminana », hoy izy.
Hiteraka asa madinika (Himo)

Ho an’ny etsy Antanimena kosa, hosoloina ny fantson-drano eo amin’ny kianja Malacam. Hanomboka ny volana avrily ny asa. Ho tapaka mandritra ny telovolana ny lalana etsy Malacam. Hisy, araka izany, ny fanovana ny lalan’ireo taxi-be.
Mitentina 53 tapitrisa euro ny tetikasa ka mamatsy vola izany ny avy amin’ny AFD sy ny Vondrona eoropeanina (UE) ary ny fanjakana. Ha­haritra roa taona ny asa. Miisa 180 ireo mpivarotra hafindra toerana ho an’ny etsy Anta­nimena, raha 429 kosa izany ho an’ny eo Analakely, amin’izao andiany voalohany izao.
Hiteraka famoronana asa madinika, amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo), izany.
Tsiahivina fa miara-miasa amin’izao tetikasa izao ny CUA, ny minisiteran’ny Rano, ny AFD ary koa ny avy amin’ ny UE.

Synèse R.

Partager sur: