Fiantsenana : Efa maro ireo mampiasa karatra Visa niomerika

Efa maro ireo mampiasa ny karatra niomerika hividianana zavatra amin’ny internet eto Madagasikara. Ireo mpanafatra entana ivelany ihany koa dia efa tsy mikirakira vola intsony fa amin’ny alalan’ny karatra niomerika no manao ny fiantsenana.
Efa tsy azo hihodivirana intsony ny fampiasana ireny karatra ireny ary efa fizarana sahady amin’ny hoavy satria efa mankany amin’ny fiantsenana ana habaka ny maro amin’izao fotoana.
Manamora kokoa ny fifanakalozana ara-barotra, indrindra amina firenena maro, ny fampiasana io karatra io.
Nampahafantatra momba ny Ariano Visa Pay, Rakotoson Noeliniaina Josia, na ny mpanakanto Ariane, omaly, tetsy amin’ny birao vaovao etsy Antsakaviro.
Tsy izay mpanjifa ny Ariano Visa Pay ihany no afaka manatona eny amin’ny birao fa misokatra amin’ny karazana tolotra maro toy ny famahana olana amin’ny resaka teknolojia na fiantsenana amin’ny tambajotra na olana hafa amin’ny Facebook…
Misy ny tohana ara-kevitra ho an’ireo mpanjifa raha misy ny fahasarotana mba tsy ho tapi-dalan-kaleha ireo mampiasa ny tolotra, araka ny fanazavana hatrany.

Tatiana A

Partager sur: