« Rallye mathématiques », andiany faha-22: Nitombo ny isan’ny sekoly nandray anjara

Notanterahina teny amin’ny Lycée français Ambatobe, omaly, ny dingana famaranana ho an’ny fifaninanana atao isan-taona, « Rallye mathématiques » andiany faha-22, eny anivon’ny sekoly manerana ny Nosy.

«Natao ny volana desambra 2025 ny fifanintsanana teny amin’ny sekoly tsirairay mandray anjara, narahin’ny fifaninanana teny amin’ny faritra, ny volana janoary. Sekoly sivy isaky ny sokajy no niatrika ny famaranana», hoy ny mpampianatra matematika ao amin’ny Lycée français eto Antananarivo, Razafimaheni­na Mendrika.
40 ny sekoly niatrika teto Antananarivo. Maro ny nandray anjara avy any amin’ny faritra. “Tany amin’ny taona 2000, tsapan’ny mpampianatra fa atahoran’ny mpianatra ny taranja matematika. Nitady hevitra hampitana io taranja io amin’ny fomba hafa izy ireo ka nosafidina ny endrika kilalao. Misy zavatra tsy maintsy ianarana sy folahana ahafahana manao izany”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpampianatra matematika eto Mada­gasikara (Gemma), Ramaha­zosoa Irris Parker.
Nohazavainy fa ny laza adina dia fiainana andavanandro ka ampianarina ny ankizy hamadika izany ho lasa matematika. Manao “modélisation”, avy eo manao “résolution” araka ny zavatra nampianarina tany an-dakilasy. Rehefa azo ny vokatra vao manao “interprétation» izy ireo. Mi­fandraika amin’ny zava-misy, amin’ny alalan’ny «Rallye ma­t­hématique» no hanabeazana ny ankizy hiaina ireo rehetra ireo. Tsy azo lazaina ho hay ny lesona raha tsy iainana. Asai­na miaina izany ireo mpianatra ka ny fahalalana azony no mivadika traikefa ary iainany andavanandro. Tsapa fa ma­havaha olana maro izy ireo amin’ny fanaovany io Rallye io ary lasa havanana amin’ity taranja ity any an-tsekoly.
Mizara sokajy efatra ny mpifaninanana : Lycée Jules Fery no nahazo ny laharana voalohany, ho an’ny sokajy siantifika D ; Le Petit Nid, ho an’ny sokajy C. ny Lycée français Antananarivo ho an’ny sokjy B ary ny Alliance française Antananarivo ho an’ny sokajy A.

Vonjy

Partager sur: