Haintrano teny Ankatso II: Nanampy ireo traboina ny fanjakana

Manoloana ny haintrano nitranga ny 29 marsa lasa teo, tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ao Ankatso II, bloc 51, nidina ifotony avy hatrany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Niaraka taminy tamin’izany ny mpikambana ao amin’ny governemanta, nahitana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy ny fidiovana, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ary ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana.
Nijery ifotony ny zava-misy sy nankahery ary nitondra fanampiana ho an’ireo mpianatra traboina izy ireo, niaraka tamin’ny filoha lefitry ny Oniversiten’Antananarivo. Araka ny tatitra voaray, vokatry ny “court-circuit” ny firehetana. Mpianatra 35 no traboina tamin’ny loza. Vehivavy ny 17 tamin’izy ireo. Nafindra ao amin’ny Bâtiment R+3 Rose ireto farany. Nafindra ao amin’ny Bâtiment R+3 Vert, ny lehilahy miisa 18.
Ho vonjiranovaky, nanolotra fitaovana ilaina andavanandro ny fitondram-panjakana. Nahitana fitaovana an-dakozia, lamba firakotra, sakafo fototra toy ny vary sy menaka izany.

Vonjy

Partager sur: