Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy. Tsy ho marin-toerana kosa ny habaka indraindray any amin’ny faritra hafa. Tsy hisy tranga mahery vaika mety hahakasika mivantana ny toetry ny andro eto Madagasikara ato anatin’ny herinandro. Ho maina amin’ny ankapobeny ny ilany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hahazo orana kosa manomboka ny alakamisy ho avy izao. Hanorana tandrifin-drahona mitsitokotoko ny faritra hafa. 13 – 26 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 – 37 °C ny tolakandro.
Notontosaina tao Moramanga, ny faran’ny herinandro teo, ny fizaham-pahasalamana ho fitsinjovana ireo zokiolona sy ny fanombohana ofisialy ny fanaovam-baksiny fanefitra amin’ny Mpox izay iarahan’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Hetsika natao hiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy hisorohana ny fihanaky ny aretina eny anivon’ny fiarahamonina.
Tonga tao Brickaville ireo fiara vaventy dimy mitatitra ireo tohana hanamafisana ny fahafaha-miarina ho an’ireo tokantrano tena marefo, tohin’ny hetsika famaliana ny hamehana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Tokantrano 2 200 no hisitraka izany ho an’ny faritra Atsinanana, distrikan’i Brickaville sy distrikan’i Toamasina II. Vary 37 325 kg, voamaina 5 500 kg, menaka 2 200 l, lamba firakotra 1 800 isa, fitaovam-pidiovana sy fanadiovana ho an’ny vehivavy 1 630 isa, rano fisotro 200 packs ary fanafody 204 baoritra no hozaraina manomboka anio.




