Madcap sy Seba Isotry : Mandray ny zokiolona marary sy sahirana

Nanatanteraka ny fidinana ifotony voalohany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, ny faran’ny herinandro teo. Namangy ny fianakaviana sahirana mipetraka ao amin’ ny Akany Fialofana Isotry, ao amin’ny Madcap sy Seba, izy sy ny ekipany. Tsikaritra nandritra izany fa tena sahirana ny akany. Lehibe ny vesatra zakainy noho ny fahasahiranan’ny olona tonga mila fa­nampiana sy ampiantranoina ao.
Avy amin’ny satam-piarahamonina sy sokajy samihafa ny olona misitraka ny fanampian’ny Akany. Misy ny marary, ny malahelo, ny mitaintaina, very fananana, tsy ampy sakafo, zaza tsy afaka mianatra, marefo, reny bevohoka, mpangataka amoron-dalana, mpibata entana, mpanasa lamba, mpanala tsikafona, sns. Misy ihany koa ny olona rava trano, vokatry ny rano niakatra nandritra ny fahavaratra. Very fanahy mbola velona izy ireny, tonga mila vonjy sy manatevin’isa ny tsy manan-kialofana.
Noho ny hamehana, nitondra vahaolana avy hatrany ny minisitera. Nisy ny fanampiana vonjimaika ireo latsaka anaty fahasahiranana lalina. Niton­dra fanampiana ara-tsakafo hanohanan’aina haingana izay efa tena reraka sy tsy ampy sakafo. Noraisina an-tanana ihany koa ny fikarakarana ny marary mila fitsaboana maika. Nisitraka izany ny zokiolona sy ny ankizy madinika.
Nitondrana tohana ho an’ny fanabeazana koa ireo ankizy mianatra. Nodinihina ny fanavaozana ny Akany sy ireo toerana manodidina. Marihina fa an’ny minisitera izany. Tanjona ny hahafahana mandray sy manampy ny sahirana hafa. Mba ho toerana mendrika ny maha olona ihany koa ny Akany.

Tatiana A

Partager sur: