Mpikabary no tena nahafantarana voalohany ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera teo aloha, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Rariny raha koa ka ireo fikambanan’ny mpikabary maromaro no maniry ny hamerenana azy eo amin’ny toerana, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly, tetsy Analakely. «Tsy mety ny miasa jamba rafozana tsy misy sitraka, […]
Mois : mars 2026
Basikety- Champions Cup R: Resin’i Australie i Madagasikara
Faharesena no nisantaran’ny Ankoay, lehilahy, ny fandraisany anjara amin’ny fifaninanana “Fiba 3X3 Champions Cup”, taranja basikety lalaovin’olona 3, tanterahina any Bangkok, Thaïlande. Omaly no niakatra an-kianja voalohany ny Ankoay lahy, nifanehatra tamin’i Australie teo amin’ny lalao voalohany. Resy tamin’ny isa 21 no ho 17 ry Elly sy ny namany nandritra […]
“PFL” – As Ste Anne sy CFFA : Hifandona ny samy Atsimondrano
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro fahavalo sy fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Pureplay Football League (PFL)”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ny alahady ho avy izao, etsy Iavoloha, ny fihaonan’ireo samy Atsimondrano: As Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa […]
Ho fanajana ny fomban-drazana…: Natomboka ny vava asa fandrodanana ny colisée
Naheno paipaika ny teny amin’ny manodidina ny Rovan’Antananarivo. Misy inona ? Ho famaliana io fanontaniana io, nanao fampahafantarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nanatanterahana ny fampahafantarana ny zava-nisy tao Anatirova, omaly. Taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana laharana faha-606, tamin’ny 18 febroary 2026, […]
VAOVAO TAMBATRA
Mikendry hanokatra sehatra ho an’ny dinika stratejika sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny andrim-panjakana, ireo mpisehatra amin’ny niomerika ary ny fahafahana mamorona asa ho an’ny tanora. Ireo no tanjona apetraky ny hetsika Espace jeune entrepreneurs (EJE Shift), tanterahina etsy amin’ny Orange Digital Center, Soarano. Sehatra manan-danja entina manentana ny tanora hiroso bebe […]




