Mois : mars 2026

Fizahantany : Latsa-bidy ny taozavatra malagasy

Dimy andro taorian’ny nandalovan’ilay sambo mpitondra mpizahatany, Pacific Worls, tao Toamasina, dia nanao tombana ny mpikarakara sy ny mpivarotra asa tanana sy ny taozavatra vita malagasy. Nilaza ireo mpivarotra fa latsaka noho ny tsena andavanandro ny vidin’entana. Tsy nampiova na inona na inona ny fifanakalozana tamin’ny sandam-bola dolara. Tetsy ankilan’izay, […]

Governemantan’ny Fanavaozana : Praiminisitra faharoa Rajaonarison Mamitiana

Dimy andro taorian’ny fandravana ny governemanta, tafapetraka amin’ny toerany ny praiminisitra faharoa, hiandraikitra ny fanavaozana. Notendren’ny kolonely Randrianirina Michaël, hiara-mitantana ny mpanatanteraka aminy, Rajaonarison Mamitiana Jeannot. Efa alina, omaly, nivoaka ny anaran’izay ho praiminisitra faharoa, hitantana ny fahefana mpanatanteraka miaraka amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randriani­rina Michaël. Nametrahany fitokisana Rajaonarison Mami­tiana […]

Toamasina: Tokantrano 1200 nampian’ny Airtel

Nidina tany Toamasina ny delegasionina notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, ny 6 marsa teo. Fotoana na­nehoany ny firaisankina amin’ireo traboina tratry ny rivodoza Gezani farany teo. Nisy ny fanampiana, kojakoja sy zavatra ilaina andavanandro, natolotra ny mponina, niarahana ni­asa tamin’ny tompon’andraikitra any an-toerana sy ny rafitra mitantana ny […]

Rugby- ” XXL Top 12″: Adin’ny samy kartie ny an’ny CEA sy ny FTM

Hiavaka ny andro fahafito amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby XXL Top 12. Hifan­dona amin’izany ny ekipa samy kartie, dia ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andrano­manalina. Ho tafiditra ao anatin’ny roa voalohany izay mivoaka ho mpandresy, amin’ity. Kihon-dalana lehibe eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja rugby “XXL Top 12”, […]