Nanolotra fanohanana ireo tetikasan’ny vehivavy misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra Ambaniandrefana, Vakinankaratra, ny fitondram-panjakana. Natao afakomaly, teny Ambohitsirohitra, izany, notarihin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël. Nambarany fa hametrahana politika hanohanana ara-bola ireo tetikasa entin’ny tanora sy ny fikambanana miasa ho fanatsarana ny faripiainan’ny vahoaka. Nisitraka 20 tapitrisa Ar ho fanohanana ny fampiroboroboana ny […]
Mois : mars 2026
Fiofanana zaitra : Namoaka ny andiany “Lafatra” ny WMG
Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy Ambatoroka, ireo 14 mianadahy, izay nahitana lahy tokana. Nanaraka fiofanana momba ny tontolon’ny zaitra, nandritra ny telo volana teo anivon’ny atelier tantanin’ny Wednesday Morning Group (WMG) izy ireo. “Nampitondraina ny anarana Lafatra ny andiany navoaka. Niavaka ito andiany ito satria tsy niofana momba ny tontolon’ny zaitra […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 280 ny zana-tsokatra tratran’ny zandary tany Nosy Be, ny alin’ny 7 marsa teo. Olona 5 no tratra tao amin’ny trano iray any Dzamandzar, ka anisany ny tompon-trano sy ny olona iray voatonona fa nitondra ireo sokatra ireo, izay voalaza fa nokasaina haondrana any ivelany. Tsiahivina fa lehilahy telo no […]
« CDN3 »: Hamafisina ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Atao ny 11 sy 12 marsa izao ny atrikasa fakan-kevitra nasionaly hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, entina hamolavolana ny Fandraisana anjaran’ny rehetra eto Madagasikara andiany fahatelo (CDN3). Zava-dehibe ity atrikasa fakan-kevitra ity, satria mandray anjara ao daholo ny mpisehatra tsy ankanavaka, heverina fa manan-danja eto Madagasikara amin’ny lafiny fiatrehana ny fiovan’ny […]
Sandam-bola : Mahazo aina ny Ariary
Sambany tao anatin’ny 10 volana no nahazo aina ny vola malagasy. Omaly, tafidina 4 782,67 Ar ny Euro iray ary 4 146,04 Ar kosa ny dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Anisan’ny antony voalohany mampahazo izany ny fiverenan’ireo vola vahiny tamin’ny alalan’ireo fanondranam-bokatra toy ny letisia sy […]




