Mois : mars 2026

Nisandoka polisy : Lehilahy iray voasambotra

Lehilahy iray voasambotry ny olisim-pirenena miasa ao amin’ ny komisaria CSP8 Analamahitsy, ny harivan’ny 05 marsa 2026 lasa teo. Enjehina noho ny fisandohana andraikitra ho polisy sy fakana vola amin’ny alalan’ny fandrahonana izy io, raha ny fanazavana voaray. ‎Manara-dia miafina ireo olona mandeha mankany amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy na toerana […]

Lozam-pifamoivoizana : Olona telo maty, roa hafa naratra mafy

Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny toerana maro, nandritra ny sabotsy sy ala­hady lasa teo. Nisy ny fifandonana teo amin’ny samy kodiaran-droa, nisy koa ny mpandeha an-tongotra voafaokan’ny fiara. Olona telo no fantatra fa namoy ny ainy nandritra izany. Olona roa naratra mafy. Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho […]

INDRAY MIJERY

Hahazo vahana ny orana any amin’ny ilany avaratry ny Nosy noho ny fandalovan’ilay tangoron-drahona. Ny tsioka avy atsinanana kosa no handrafitra ny toetry ny andro any an-kafa. Tombanana hahazo vahana kokoa ny oram-baratra any amin’ny morontsiraka avaratra nanomboka omaly ary hitohy anio. Vinavinaina hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm ny tahan’ny […]

Andron’ny 8 marsa – ivato : Vehivavy sahirana 400 nisitraka fanampiana

Taorian’ny fitrotroana am-bavaka ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, tetsy amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Maha­ma­sina, tonga teny Ivato indray ireo vadin’ny mpanolotsaina avon’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika sy ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clémence, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny An­dron’ny vehivavy […]

Fiahiana ara-tsakafo : Nahomby ny tetikasa Magnovasoa

Notombanana ny herinandro lasa teo, ny tetikasa Magnovasoa, momba ny fanamafisana ny fahafaha-miatrika ho an’ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo. Nanatontosa ny tombana ny Pam sy ny Unicef ary ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), izay manantanteraka ny tetikasa rahateo ho an’ny faritra telo iasana. Natomboka ny taona 2023 amin’ny […]