Mois : mars 2026

FANTINA sy FINTINA

Mila mailo ny fitondram-panjakana manoloana ireo fikambanana maro mitonona ho Gen Z, araka ny nambaran’ny tanora MMM, Ratavilahy Andry. Nohitsiny fa nisy tokoa ireo tena nitolona fa ao kosa ireo tsy nanao izany. « Tokony hisy sehatra hahafahan’ny fitondram-panjakana mihaino ireo tanora vonona hampandroso ny firenena », hoy izy. Tokony ho sazina avokoa […]

Hetsika Rohy : “Tokony hilaza ny tsy firotsahan-kofidina na tsia ny mpitondra”

“Misy tsy ny nahafa-po amin’­ny tondrozotra”, hoy ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny tonia mpanatanteraky ny hetsika Rohy, Andriamo­raniaina Harijaona, teny Amba­tonakanga, omaly, momba ny tondrozotran’ny fitondrana Fa­navaozana. Ao anatin’ny soatoavina ao amin’ny tondrozotra, tsy voalaza ny hoe tokony tsy hisy ny fifangaroan-tombontsoa. Soatoavina iray tokony hitondrana ny fifanakalozan-kevitra sy […]

Tontolo iainana  

Tao anatin’ny andro vitsivitsy, nalaza teto amin’ny tany sy ny fanjakana ny resaka tontolo iainana. Nisy ny ady amin’ny trafika sy ny tantely afa-drakotra ny harena voajanahary. Maro ny filazana etsy sy eroa amin’ny tsy fahampian’ny olona miasa na miantsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Manginy fotsiny ny resabe mandeha […]

Vovonana Irmar : Handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena

Mazava ny zotra ho an’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina na ny Irmar. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Ho mpandray anjara feno ny Irmar. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Irmar. Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimieram­pirenena, misolo tena ny mpanohitra, […]

TSELATRA

Olona miisa dimy naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana. Voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza dimy taona, tany amin’ny fokontany Ambalatenina, kaominina Ambatofotsy, distrikan’Ikongo, ny alin’ny 12 janoary 2026 lasa teo izy ireo. Voasambotra ny 09 febroary 2026 teo, tao amin’ny kaominina Beraketa, faritra Androy, izy ireo, […]