Hifantoka manokana amin’ny sehatry ny fiompiana ny Drafitra fampiasam-bola ho an’ny fiompiana ho fanavaozana maharitra (PDSEM). Vina lavitr’ezaka, hanatsarana ny taranaky ny biby, ny fahasalamana, ny tsenam-barotra, sns. Miditra amin’ny fanavaozana lehibe ihany koa ny sehatry ny fiompiana amin’ny alalan’ny fandaharanasa PDSEM. Nasongadin’ ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, […]
Mois : mars 2026
FANTINA sy FINTINA
Tokony hohafainganina ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, raha ny fanambaran’ny Komity miaro ny tolona (KMT), notarihin’ny mpandrindra nasionaly, Rakotomavo Lanto, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny fanalana an’ireo mpiray petsapetsa tamin’ny fitondrana teo aloha any amin’ny sampandraharaham-panjakana, sakana amin’ny fanavaozana. Manohana ny fitondrana ny KMT, mahita ny dingana […]
Fanehoan-kevitra: Mitaky ny hiverenan’ny fahefana amin’ny vahoaka ny RDS
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS). Nambaran’ny filoha nasionaliny, Rakoto Andrianirina Fetison, fa hijoro ho hery mitaky fahamarinan-toerana sy fahamarinana izy ireo. Tsy hanaiky handrava, tsy hanaiky hanarona. « Hanangana amin’ny fahendrena sy amin’ny fitsipika mazava ary tsy maintsy miverina amin’ ny […]
Miova vao manova
Fanovana no hoe imasoana amin’izao? Na fanavaozana… Tsy afa-bela amin’izany ny tontolo politika. Izay tontolo politika izay aza no anisan’ny mahatonga ny krizy politika miverimberina, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Eny, na eo aza ny rafitra, ny lalàna, ny fomba fiasa… Amin’izao hoe fanavaozana izao, misy ny manao adisisika mafy […]
Filoha Randrianirina Michaël: « Tsy voatery fizarana seza ny tondrozotra… »
Nanolotra ny taratasy tamin’ny iraky ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc mamaritra ny Tondrozotra hitantanana ny firenena ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, ny faran’ny herinandro teo, teny Iavoloha. Nitondrany fanazavana, tamin’izany, ny momba ny sori-dalana. Nambarany fa ao anatin’izany ny tatitry ny dingana sy ny asa vita amin’izao fanavaozana izao. […]




