Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS). Nambaran’ny filoha nasionaliny, Rakoto Andrianirina Fetison, fa hijoro ho hery mitaky fahamarinan-toerana sy fahamarinana izy ireo. Tsy hanaiky handrava, tsy hanaiky hanarona. « Hanangana amin’ny fahendrena sy amin’ny fitsipika mazava ary tsy maintsy miverina amin’ ny vahoaka ny fahefana », hoy izy. Nanterin’ny RDS fa tsy azo ekena intsony ny fanapahan-kevitra atao ao anaty faribolana tery. Avy eo asaina eken’ny rehetra. Nitarika krizy nifanesy teto amin’ny firenena nandritra ny am-polony taona maro izany, araka ny fanambarana hatrany.
Nanterin’ity antoko ity fa tsy maintsy misokatra amin’ny rehetra ny dinika, miainga eny ifotony ka hatrany amin’ny sehatra ambony raha tena fanorenana indray no tanjona. « Atao mazava sy avoaka ampahibemaso ny vontoan’izay nifanarahana ary mipetraka sahady ny fandaharam-pifidianana hentitra sy tsy miovaova », hoy ny RDS. Nambaran’izy ireo hatrany fa lalana mankany amin’ny fifidianana ny Tetezamita. Tsy natao toerana hijanonana izany.
Tsy mila teny mamy intsony i Madagasikara. Mila fahitsiana. Mila mangarahara. Mila fanajana ny safidin’ny vahoaka, araka ny fanambarana.
Nitondran’izy ireo fanamarihana sy fanontaniana koa anefa ny momba ny taratasy nalefa any amin’ny Sadc. « Tsy midika fa milamina ny firenena rehefa lasa any izany dosie izany. Mba niaraha-nidinika ve ? », hoy izy ireo. Mila valiny mazava izany ny RDS momba io taratasy io.
Synèse R.




