Mois : mars 2026

Rugby – “XXL Top 12”: Miato aloha ny fifaninanana

Taorian’ny fahavitan’ny andro fahafito amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 12, taranja rugby dia hiato ny fifaninanana. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Malagasy Rugby fa hotohizana amin’ny fanatontosana ny dingana ampahavalon-dalana, ho an’ny “federal 2”, izany. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny alahady 22 marsa ho avy izao. Anisan’ny […]

Baolina kitra afrikanina : Nesorin’ny Caf tamin’i Senegal ny amboaran’ny Can

Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny Caf afakomaly. Nalaina tamin’ny Lion de la Teranga ny fandresena azony tamin’ny “Can 2025” farany. Lasan’i Maroc indray izany ny amboara. Taorian’izay, hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana avo ny fanatanjahantena TAS ny Federasionin’i Senegal. Nanaitra ny mpankafy ny vaovao niparitaka afakomaly sy omaly. Nam­baran’ny Kaonfederasionina […]

TARATRY ny KANTO

Eny amin’ny Doany Ambonga Ilaniara ny fanamarihana ny ivon’ny Alahamadibe 2026, anio. Toy ireo vohitra maro manerana an’Imerina, natomboka omaly tamin’ny fidiovana, ny arendrina ary ny afo tsy maty izany. Androany kosa ny « tatao », « tolotra hasina », « tsitsika sy joro », « tsodrano sy zara hasina » ary ny fitokanana ny lapa. Ny vondrona […]

INDRAY MIJERY

Tonga tao amin’ny LTP Toamasina ireo solontena avy amin’ny BNGRC nanatitra fanampiana ho an’ny mpiasa rehetra eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Atsinanana eto Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. ‎Fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani izao. Nandray izany ny talem-paritry ny Fampianarana teknika […]