Notanterahina tany Toliara, ny volana marsa lasa teo, ny hetsika faobe fampahafantarana ny lalàna laharana 2027- 043 momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindrana fiainam-pianakaviana. Ny Ipas Afrique Francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice reproductive no nifarimbona tamin’ny fikarakarana.
Tsapa nandritra ny fidinana tany Toliara fa maro ny tsy mahafantatra ny fisian’ilay lalàna. Misy koa tsy mahafehy ny votoatiny. Nisantarana ny hetsika faobe ny dinidinika niarahana tamin’ny tanora sy ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tao amin’ny Maison des jeunes tao Ankilifaly. Dr Rajaobelina Lova, filohan’ny tambajotran’ireo parlemantera no nanazava ny asa sy andraikitr’izy ireo manoloana ny fahasalamana ara-pananahana. « Midina ety ifotony izahay hamantatra ny hetahetanareo vahoaka, ahafahana manatsara ny lalàna efa misy » hoy izy. Notsipihiny fa antoka ho amin’ny fampandrosoana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ka manana zo hisafidy ny isan’ny zaza aterany sy ny fotoana tiany hiterahana ny mpivady ary miantoka io zo ara-pananahana io ny lalàna 2017- 043.
Nentanina koa ny tanora tsy hiroso amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra, tsy hiditra mialoha ny faha-18 taona anaty fanambadiana satria voararan’ny lalàna malagasy izany mialoha io fetran-taona io. Potika ny hoavy ary tsy tratra ny tanjona sady lasa vesatra ho an’ny ray aman-dreny izy ireo raha izay no miseho.
Nilaza ny zava-misy eto Madagasikara ny solontenan’ny Ipas Afrique Francophone eto an-toerana, Razanaliliany Hajasoa. Hatreto, vehivavy 10 isan’andro no maty vokatry ny fahasarotam-piterahana na ny fitondrana vohoka ka zatovo ny telo amin’ireo. Miroso aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo ny tanora malagasy raha ampitahaina amin’ireo firenena hafa. Vokany, miakatra ny tahan’ny vohoka aloha loatra tsy niriana. Mitombo ny fampitsaharana vohoka antsokosoko, izay mitarika amin’ny fahafatesana matetika. Voasazin’ny lalàna eto Madagasikara ny fampitsaharana vohoka, na inona na inona antony. Samy iharan’ ny sazy avokoa na ilay vehivavy na ireo olona nanatanteraka izany. Ankoatra ireo, mitombo ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo.
Vonjy




